MIRARY SOA! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIRARY SOA!

Mirary soa aho ho anao!
Ho an'ity taona vaovao:
Hahita izay irina,
Hahazo izay tiana.

Mirary soa aho ho anao!
Hahavita soa izay hatao.
Ho tafita fa tsy ho rendrika;
Hahazo ny toerana mendrika.

Mirary soa aho ho anao!
Hazoto amin'izay rehetra atao.
Handresy lalandava;
Amin'izay rehetra mitranga.

"Homba anao anie ilay Mpahary!"
Ho salama tsara ianao fa tsy harary.
Ho sambatra sy ho fianaritra anie ianao;
Mandritry ny andro rehetra iainanao.

Mirary soa aho ho anao!
Mba hitondra fiainambaovao;
amin'ny zavatra rehetra hatao.
Ity taona vaovao.

ANDRINIAINA1.
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
2212 0
Hevitra mandeha
volana1 ( 10/01/2011 15:00)
Mahafinaritra e ! Tena ankasitrahako ny fanoratanao !dia mirary soa koa ny tenako !
Soarilala ( 10/01/2011 17:18)
Tena firarian-tsoa mamy!!!!Dia ho anao koa ho torak'izany....ary ho an'ny mpamaky rehetra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206