ILAY RAIKO FAHAROA (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mety mino mihitsy ny saina hatramin'izao
Fa tena nandao anay tokoa ianao
Tena banga loatra ny fiainanay poety
Tiako ianao hiverina fa saingy hoe tsy mety

Tiavina amin'ny saina fa tsy tiavina amin'ny fo
Izay no tena hafatrao tsy hadinoko tokoa
Hamela fahatsiarovana, ny tsikitsikinao
Hipetraka tantara ny asa soratrao

Lasa izany ianao,dia tsy azo ho ferana
Mafy ny fiainana,toy ny lolo iray miserana
Mangovitra ny vava,ny fo marary koa
Mandry am-piadanana,ilay Raiko faharoa.

Tsy ho faty na oviana na oviana,ny soa sy tsara vitanao
Hamela fahatsiarovana ny asa soratrao
Vahotra ny lela, tena ankona tokoa
Nody mandry ianao ry Raiko faharoa
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fiainana - Aingam-panahy
114 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ANDRY KANTO MENDRIKA
Inséré par : AKMKT
Date : 14/05/2026 12:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117