NY TOETRIN'NY FITIAVAKO ANAO (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitia sa Mitia sa Hitia?
Izy telo no atambatro ho anao ry Tiana;
Inty: TIA ANAO AHO ...

Ny lasako rehetra angoniko ho anao,
Ny ankehitriniko; efa ianao;
Ny ho aviko indray raha sitraky ny Avo:
Ianao no masoandron'ny foko isan'andro...

Ny tia??
Tsy fitaovana entin'animbazimbanan'ny hasin'ny tiana.
Ny tia??
Tsy fanararaotina maro filàna tsy ihafihafiana.
Raha tia:
Mitia tsy misy satria.
Satria,
Izany no ekena ho mpifankatia.

Ny fitiavana roy;
Fifamenoan'ireo maro tsiny.
Ny fitiavana roy;
Fifanakonana imasom-bahiny.
Raha mifanjono ny mpifankatia:
Tsy vanom-pitia.
Ny refi-potoanan'ny tena fitiavana akia:
Doria doria.

Ny fitiavako anao?
Fitiavana raiki-tampisaka am-po;
Tsy voasindan'izay rivodozam-po roa.
Ny fitiavako anao?
Vonon-kiarina, vonon-kisedra,
Vonon-kanitsy, vonon-kitaiza.

Nitia sa Mitia sa Hitia?
Izy telo no atambatro ho anao ry tiana;
Inty: TIA ANAO AHO!!

ANJARIVO Ronsard ( 02/08/07 )
--------
Rohy:
2996 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142