TE- HAHIT'ANAO (Arajech)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay rehetra mandalo ny masoko Ka maka endrika ilay sarinao
Dia jerevako sy diniko havoko
Sao dia mba ianao !
N’aiza lalana izay halehiko
Dia jerevako avy ireo zazavy
Izay rehetra tojo ny lalako
Sao ianao iny manatona havy
Ny rehetra miditra ao ampiasako
Mbajinoko ambony ambany
Sao mba ity ilay any tiako
Izay tsy hitako lavitra any ho any
Nefa nangaina foana
Fa ilay tiako sy malalako
Tsy mety mba tafahoana
Nefa izy ilay tokana nolalaiko
08/11/06
--------
Lien:
Fans:
Rhayman