MISY (ARIMBOLA FENOTSIKY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy taon-dasa tsy tsaroana;Mavana ihany ka mora nolokoina.
Nisy ireny lasa tsy niverina;
Nitampodifohy fa tsy nampanenina.
Nisy toy ny aloka niserana;
Tiana nosamborina fa tsy hay noferana.
Nisy honohono ny nandrenesana azy;
Tsy nahoana akory na dia tsy vazivazy.
Misy am-pelantanana, tiana sy lalaina.
Mahasambatra rehefa tena hajaina.
Hisy hafa indray ankoatry ny misy;
Hanantena ny tsy misy, indrisy!
ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana