TANTARA TSY VOAFAFA (BANGOTOKANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARA TSY VOAFAFAMisy tsiky te hitranga ao anaty alahelo
Hasambarana tsy banga totofan-drahona sy helo
Atosika ho lavo tsy mety sia fa miorim-paka
Injao reko manjavozavo, mibahana ao an-tratra
Akipiko mangina ny masom-pitiavana efa foy
De ny hifandao ry tiana, tantara tsisy roiroy
Nefa toa maneno foana ny lakilosim-pahatsiarovana
Fa feno aloka ny taona ,potipotika torovana
De inona no hatao hinia handratra tena ?
Ka mody hoe hifandao hiala an-daharana sy hihenahena
Nefa tia no lazaiko anao tsy misy efitrefitra
Efa iray za sy ianao na fo io na eritreritra
--------
Lien: