mandria ampiadanana (cedarf)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahatsiaro anao, reo taona niarahana sy tsiky nifanaovana,
ireo fotoana mamy, sy sento nitambolona nifamihinantsika
ny làlana niarahana no mampatsiahy ahy zay nilaozana;
niverina daholo tsy nisy iray nipika.

Nahatsiaro anao aho eto ampototry ny jiro sy ny tarany,
dia vontondranomaso, nigogogogo irery namerina ny lasa;
hoe teto isika manko no nifampitrotro farany
kinanjo efa tandindon'ny ho avy zay voafafa,

lasa any ambany rangolahy!

ny taona mifanesy no tonga mampatsiahy, mandrakotra alahelo
mitondra tsiky kely miserana dia lasa, tsy misy mba azo tanana,
maniry sy mikasa ny mba hisy ora farany anindroa fa tsy anintelo,
hanaovako veloma sy hilazako teny fohy hoe "mandria ampiadanana".
--------
Lien:
164 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111