ALINA IRAY (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa asa saina mameno ny ati-fokoLasa fahasambarana hirina sy bodoiko
Lasa vonikazo manaingo zaridaina
Mitady ho lalim-paka, hatrany hamparam-pofonaina
Dia inona no ataoko ?
Lasa tendrombohitra, ahafahana mitazana
Lasa tonga lafatra, vinaina hiantsapazana
Rehefa mbÿ mahita, ilay toerana niadanana
Mirongatra ao anaty,tena tsy afaka ho tahanana
Dia inona no ataoko ?
Namiratra ny volana fa ,lasa feno manana
Tapaka ny bozaka, amin'ny toeram-pandehanana
Rehefa tafatazana, sy mihevitra indray
Manaloka eny foana koa ilay alina iray
Dia inona no ataoko ?
Andeha hitsabotena aho manomboka androany
Bedesiko ny foko dia ho meko teny mamy
Asaiko tsy andinika,ilay alina iray
Ampahafatariko azy koa, fa tsy mandrakizay
Fa aloka izy ireny....!
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
