ANDRAIKITRA MASINA (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Loloavy sy ajao ny asa fa antoky ny ho avy maro loko izy"Hanatsotra sandry ho an'ny tandrazana
Mikiry sy mihezaka ao am-panidina vazana
Na mafy sy mavezatra ny asa izay sahanina
Sikino ny herin-tsaina,aza avelanao hijanona
Hanasoa ny mpiara-belona!
Ampiakanjoy fikirizana, satroy firaisakina
Ny asa sy andraikitra nindramam-piadidiana
Ka ahazo vokatra mananko am-bazan'tany
Ho an'ny Madagasikara mba ataony teny mamy
Fa ianao dia andry hiankinany!
Loloavy sy hajao,ny fitiavan-tanidrazana
Porofoy anaty asa,fa ianao dia olo-mazana
Tena afaka misahana,ny tendron'ireo efa-mira
Mpiaro sady mpanasoa,tsy mahay maniratsira
An'ity tanintsika ity!
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Ahy - Fananarana - Aingam-panahy - Tanindrazana - Ahy - Fananarana - Aingam-panahy - Fitiavana