Ampidiro aloha ny tenimiafina
AZA AVELANAO (DADAFARAtolotra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza avelanao hiaina fijaliana, ity fo kely adalakoAza avelanao tsy hahita fahasambarana ireto salasalako
Fa tolory tànana,
Hahazo fiadanana
Fa tiany loatra ianao !
Aza avelanao ho lasan’olon-kafa,ny saha naorintsika
Aza avelanao hiaina anaty haizina,fa ndrao dia mangatsiaka
Hampisalory lamba
Fa mila anao angamba
Ny tena vetim-piainany !
Raha sendra hitanao irony maso mitomany
Raha sendra tsapanao irony ankaso ataon’ny tany
Dia io fitiavako io
Aza avoaka intsony fa avy dia hidio
Anatin’ny fonao !
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
DADAFARAtolotra
