FITIAVANA HAFAHAFA (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa vadin'olona ny tenako amin'izao
Fa mbola tiako ianao,
Mitsiriritra fatratra,ny foko sy ny saina
Ny vava mitaraina,

Mamboraka fitiavana, izay tsy misy tanjona
Fa maso no mibanjina,
Fitia ampotimoty,miezaka manakatra ny mombanao rehetra
Ka nefa manam-petra,

Tsy azoko faritana ny bitaky ny foko,raha sendra tafahoana
Tsapa fa mivaona,
Ezahiko ahilika ny masoko mitazana,mba tsy hijery intsony
Ianao nefa tsy foiny,

Lazao izay tena antony,ny foko ve no adala,sa iza no mibaiko
F'izaho io manam-bady,ianao nefa ilaiko
Ka n'iza vadinao rehefa any aorina
Izao mba tadidina,
tiko foana ianao ,
fa tsy aiko izay ho atao,.....
--------
Lien:
166 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186