HAFA MIHITSY (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamiratra toa raozy, ny lokom-pelam-boniny
Mampodipody mandry, ny kalo izay foroniny
Manintona ny maso, ny haingohaingo an-tavany
Toy ny vatosoa, ny nify anaty vavany

Toa lamban'ny anjely, ny tafy fisalorany
Manako fahalafarana, ny làlana fizorany
Toa kintana sy volana, ny masony mitazana
Fikiriko ny sandriny,ary hanidiako vazana

Tsy mahay mamitaka, mpandositra hadalana
Rano tsy hisy fetrany, hatao dobo fantsakana
Afaka hitovozana, solofo dimbin'ala
Tena tiako loatra, ka tsy asiana salasala

Faranako ny soratra, izao no mba lazaina
Hafa mihitsy ianao, hatrany am-parapofon'aina
Fatorako voady, fefeko anaty dina
Sambatra ny fiaiako fa manan'olon-tiana
Rehefa tonga ianao!
--------
Lien:
Catégorie : Marsa-2024
217 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141