HANITRA MANDAINGA (DADAFARAtolotra)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao ry tovovavy, no dia mivadibadidela,Angolangolan-teny maro, nefa tsy naharitr' ela,
Nahoana ianao no mahay mitia, nefa avy eo mamilafila
Rehefa diso tafalatsaka, dia hoy ianao: izaho tsy mila!
Nahoana ianao ry tovovavy no dia sarotra faritana,
Tsy azo vinaniana akory fa, trondro iray tsy mila fitana,
Fa mba manao ahoana re, raha miova manam-pahendrena
Tsy nanara-dià an'i Eva,fa miala tao an-tsaha edena
Sahinao ny velirano, fa fasana sy fahafatesana
No hany tokana hisarahana,
Jamba izaho ka dia voafahana,
Lainga no nameno vava
Tia miova loko ianao, tsy mba menatra nandrava
Nahoana ianao no dia nanonona,nanova anarako ho Malala
Nefa vetivety teo, nahilikao anjorom-bala,
Indray andro any ianao ry foko,hadio ka sitrana ny fery
F' ilay hanitra mpamitaka,mbola simba sy ho very
Moana eo izy ka ho gina,tsisy vava hitenenana
Rakotry ny faharatsiana,difitry ny fanenenana
Fa ianao ahazo laka,
Mijoroa,andao hitraka...
--------
Lien: