HISARAKA (DADAFARAtolotra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mialatsiny aminao aho ry mamiko hajaina
Fa tsy hiaritra zavatra mihatra aman'aina
Raha zanaka roa sy ny telo tsy ho tratra
Dia aleoko misaraka tsisy maratra

Samy mitoetra amin'ny saha naniriany
Samy manova amin'ny fiainana tiny
Fa raha miara-monina samy halazo
Tsy aleo ve angotana ny vonikazo

Rehako ny daroka sy tehamaina
Sy iretsy mangidy tsy laitra zakaina
Kivy ny saiko, anio aho hiverina
Nangidy izy ireny ka tsy azo leferina

Tapaka 'zany ny hevitro androany,
Faranako hatreto amin'izay ny tomany
Ka hitsabo tena amin'ny hafa tsy tazana
Ary hijery 'zay lonaka azo hamafazana
Fa vita ny antsika !
--------
Lien:
239 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112