INDRAY ANDRO ANY (DADAFARAtolotra)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro ianao hiantsampy,ao anivon-tratrako ao
Ka hibitsik’ireo teny ; sy hanatoa ‘zay tsy natao
Dia hioty fahasambarana ; mbola tsy naleha mihitsy
Ary handraraka fitiavana ; tsy mba misy hoe mitsitsy

Indray andro any ianao ho silako,ka banga raha tsy miaraka amiko
Ho ahy mandrakizay mihitsy,tsy sanatriavina hindramiko
Fa ianao sy ilay fitiavana,naniry teny an-jaridaina
Tena mila anao ny fo ;k’izay no hezahana dradraina

Andao ianao ataoko namana
Atao mpizara fihadanana
Andao ataoko andefimandry
Ka mba ho toky sy ho andry
Rehefa isika mbola misy !
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
501 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : DADAFARAtolotra
Inséré par : DADAFARAtolotra
Date : 25/10/2023 12:23
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014