MENDRIKA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Railovy tsara feo rehefa mihika fahasambarana
Mbola mponina any an'ala no sady mihidy varavarana
Mahantra resa-drendrarendra, toerana tsy hitam-basy
Mbola lamban'ny anjely, tsy handairam-pentina sy tasy
Izay olontiako izay !

Loharano an-tendrokazo, izay mangatsana indrindra
Havoanavoana marin-tampona, sanatria raha hoe hifindra
Hatsakana sy honenan'ireo kolokolo dimbim-bary
Andry hiankinana rahapitso, mpikolo sady mpanajary
Izay olontiako izay !

Kintana mitari-dalana, anivon'alina mangina
Tsimoka mamelombelona, mimponina ao anaty vina
Rivotra manafosafo, manasitrana ny fery
Fitiavana tsy miova, rakitra tsy mety very
Izay olontiako izay !

Fefiloha tsy mety ravan'ny, tafio-drivotra mandalo
Hazavana mibaliaka, tsy mety resim-pahavalo
Fitiavana miorim-paka, toin'ny amontana eny an-drova
Fiainana mandrakizay, azo honenana ho lova
Izay olontiako izay !
--------
Rohy:
99 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 13/01/2026 07:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0133