NY FAHAFATESANA (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHAFATESANA

Ny fahafatesana tsy mba miera
Fa tonga dia maka avy hatrany
Mantsy raha tonga ny lera
Dia tsy maintsy mandao ny tany

Mba satriko ho velona fona
Ilay Renibe tiako loatra
Fa indrisy…! Izao no fotoana
Izay tsy maintsy hifindrany any ankoatra

Ka…tononkalo no fara-veloma
Tsy mba raozy na koa voninkazo
Teny farany ataoko etoana
Fa ity no tsy mety malazo

Ny fo malahelo ,misaona
Ka mitroatra tsy azo sakanana
Any an-danitra indray no mihaina,dia…
Veloma! Mandria am-piadanana….!

Lavenona
01 jolay 2022
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana - Alahelo
225 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229