Ny tsikitsikinao (Dox)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana...Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany...
Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana...
Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana,
Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana,
Nikaloan'ny fanahiny tsantatsantam-paniriana,
Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !
Hisy angamba amin'ireny sahy hamboraka aminao
Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao
Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !
Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny
Ny fitia vokatr'iny mba ho raki-mandra-matiny,
Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !
(talohan'ny 1939)
--------
Lien:
Fans:
SamMakavela - honenantsoa - Ajnal - havotraniaina - nomentsoajeanbrice - diyh - rfanomezantoky - jorakoto - mampitawaa - zaewer - patrickfenoharitsilavina17 - Miits5iky - fabyfanomezantso - itjn - tahiana16 - Ramananjatovo - hery0425 - Sky Jo SJ - avotrinihoavy - Nintsoa - Raonyfitiavana - Masoandroko - famoha - jdd.rakotozafy - salomon1 - lalaina18 - bambara - angeleksememarie - antsa tononkalo.R - elras - Fthy - andrii15 - hery - kofaakama - kinaoly - booboo - hervo1 - nikopol - zakilinina - kabatritra - toetra - Miarantsoa - sonwin - fafa - harylovah - olly
Commentaires
zakilinina
(
29/11/2004 22:21)
Izany ka tononkalon'ny Ngezalahy !
Maromaroa ny toy izao eto amin'ny serasera. Gadona, rima ary firafitra amin'ny akapobeny dia sarotra kianina. Ny sarin-teny dia manginy fotsiny. Voavoakan'ny poeta an-tsary ny zava-ponosin'ny fitia izay lalim-paka. Amporisihina isika taranaka ankehitriny mba hamorona tononkalo toy izao. Mahereza tompoko.
Maromaroa ny toy izao eto amin'ny serasera. Gadona, rima ary firafitra amin'ny akapobeny dia sarotra kianina. Ny sarin-teny dia manginy fotsiny. Voavoakan'ny poeta an-tsary ny zava-ponosin'ny fitia izay lalim-paka. Amporisihina isika taranaka ankehitriny mba hamorona tononkalo toy izao. Mahereza tompoko.
gasyjean
(
01/12/2005 18:10)
Ny mpanoratra malagasy tahakan' i Dox dia tena tokony ho fitaratra ho antsika izay te hanana talenta amin'ny asa-soratra(tononkalo).
dano
(
27/04/2013 15:39)
tsara b le izy miala satroka eo anatrean'ity zoky be ty za
stonn
(
06/05/2014 09:22)
tiko an!
bolramina
(
16/05/2015 14:20)
tsara be!
JHONNYnathan
(
06/11/2015 09:38)
tsar b l tonokalo
noely kely
(
12/02/2016 13:39)
hafa ian ny tranainy e!
tomboka
(
22/12/2017 04:56)
antitra antitra ihany
rfanomezantoky
(
24/09/2019 13:03)
Manaraka ngadona hatramin'ny loha rehefa mamaky azy.
Lafatra loatra
Lafatra loatra