Zary nofy (Fanomezantsoa Lcv)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay fotoana mamy, niarahana hatrizay
No indrisy zary nofy, ka nipetraka ho tantara

Fa miherina sahady, ny nandehananao
Tena mafy sy mangidy, nefa izay mo ilay anjara

Indrisy, tsy afaka ato an-tsaina
Ireo resaka natao, fony ianao mbola niaina

Mitamberina daholo, ireo tsiky sy ny hehy
Ny anatrao naha-tonga saina

Na lasa aza ianao, tsy atako very maina ny ireo anatrao
Hiezaka hijoro, ho tonga olom-banona, ho reharehanao ❤

Dia mandria am-piadanana, inoako fa isika tsy maintsy mbola hiaona
Na ho ela na ho aingana, tena azoko antoka, fa mbola hoavy ny fotoana
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Fiainana - Embona - Alahelo - Fiainana
137 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137