LOSO (Fetra Rafitsahàrana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Eto atokon-tany aho, mametsovetso tiana
Manopy maso ambony ny kitan'analin kisa
Dia mamisavisa....
Hoe rahoviana indray vao ho avy, ilay angolan-tsiky

Eto aho mitanondrika, mangina samirery
Misankaiza an-tsofina ny feon'angelikary...
Manamby fo marary sy misafo piainan- tiana

Eto aho velon tsento,
Mihaino ny fanidin' ny ventson' ny vinany
Mizotra any ho any....
Mahatsiaro ilay Domoina, any alavitra any

Mbola eto aho
Miodankondan-tanana, mipitrapitra irery
Dia manao tsianjery...
Am-bava ny Anarany

Toa Mbola tsy tafandry,handosiram-pahatoriana
Nohon'ny eritreritra mikiky tsy hay hiafiana

...mbola eto aho
Mitakoko an-drindrina, tsy ahitana teny
Fa manjeninjeny...
ilay Hovitry ny Omaly

.....Mibanjina, ilay sariny tarafin-diavolana
Lalovan tsombin-drahona
fa ndrao mba ho vahaolana...
Hampihena ny alahelon'
Ny fo mamelovelo

Rafitsahàrana, 31/10/2016
--------
Lien:
Catégorie : Hanina
833 1
Fans: fetra.emo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155