FIAINAN-TSIKA ETY (Fetra Rafitsahàrana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Ny fiainanao androany
Tsy ho fiainanao Rahampitso
Fa mety Hifandiso!
Amin'ny eritreritrao

,,tsy azonao baikoina
Na koa ho vonoina
Fa zava-mifanila
,izay miafina tsy takatra
Sy mbola ankamantatra,,

Tsy hampilaza anao rahoviana
Hoe..handroso fifaliana
Na hamoitra izay tsy tanty
Ka handrotika ny anaty

Nefa!...aoka ho fantatrao
Izao hambarako eto izao,
Fa Raha toa ravo ianao anio,
Dia Rahampitso tadidio..
Fa hijinja ny tomany!
,,tsy sanatria hanihany
Na koa teny mahandratra
Fa efa hita mahazatra
Ireo zotra mifamaly
...fa ny takalom-paharendrehana
Sy ireo jaly izay natrehina
Dia Fandresena, Fiadanana
maromaro Raha tombanana.. :-/

Ka..mionona Raha mijaly
Miravoa raha toa ka faly
R'izato havako ety.."

Fetra Rafitsahàrana
16/06/16
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
659 1
Fans: fetra.emo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221