Fitia hafa kely (Fetrakens)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia hafa kely no nitiavanao ahy
zary fitiavan-jazakely ka mampiahiahy
eo ianao milaza fa tena tia
avy eo ianao dia lasa adino ny fitia

Heverinao angaha fa ny fitiavako
dia omeko anao satria ianao no iza?
Io dia ahy irery ka tsy omeko an'iza n'iza!
Sambatra tokoa mantsy aho mitsinjo ny hoaviko

Indrindra fa ianao saika nandiso fanantenana
noheveriko fa tena tia kay fitia hamaolana
Ianao tia ahy satria ianao materialista
dia indro fa nisisika hoe zah ataovy loha-lisitra
--------
Rohy:
1998 1
Mpakafy: Ange
Hevitra mandeha
Ange ( 19/03/2004 02:42)
Raha namaky ity tononkalo ity aho dia ohatra tonga saina be hoe mifanaraka @ fianako le izy, saika latsaka mintsy aza ny ranomasoko.
Zah manokana aloha dia tena mankafy ilay izy e!
fetra ( 14/05/2004 19:33)
Misaotra anao ry Ange
Aza mitomany fa fifannandrifin-javatra avokoa ny fiainana.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetrakens
Nampiditra : fetra
Daty : 28/02/2004 21:12
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113