Iny fitiavako iny (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa iny fitiavako iny

Madio tsy misy pentina

Salama tsisy aretina

Natokako ho anao

Mety miova loko

Rehefa leo sy mitoloko

Tsy mbola niova anefa

hatramin'izao

Fa iny fitiavako iny

Mafy tsy hay raràna

Izay tia hono adala

Niantefa taminao

Tsy mba mety adino

Sady tsy mampino

Ny heriny ao anatiko ao


Fa iny fitiavako iny

Vitsy mpanana amin'izao

Asa raha mba fantatrao

Taona maro no nivadika

Fakam-panahy tsy nahasarika

Fa voatohitra hatrany


FITIAVAKO INY IHANY IZANY

fiaritiana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3567 1
Hevitra mandeha
harilova ( 26/02/2006 20:52)
Fa iny Fitiavako iny,
Na dia nivadika aza indraindray,
nandratra anao, tsy manatsiny,
satriko ho mamndrakizay
Ka aza kivy sombinaiko,
ny mamela ny hadisoana
Ka ataontsika baiko,
sady ho zary tenim-pinoana,
hampitsiry indray ny felana
hahamaitso indray ny tany
ka ireo lasa nanipelana
dia FITIAVAKO IHANY IZANY...





Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102