AMBIROA (HARY MENJA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMBIROA

Nanonofy anao aho
Nefa raha ny taona nihaonana efa dimy hanakatra ny folo
Ireo vita ,tadidy ihany saingy tsy izy manontolo
Izay antony ysy fantatro ,tsy haiko tanisaina
Fa dia nanonofy aho, indray alina efa hadiva ho maraina

Nanonofy anao aho
Nofy tena izy saingy ny tantara no tsy marina Ny tokotanin'endrika aloha ,sarotra mandainga fa dia ny anao tsy sarotra fantarina
Izaho koa tsy niafina ,fa niseho niharihary
Dia izay ilay nofy ,vita loko vita sary

Nanonofy anao aho
Izay ilay vokatry ny fo nanandrana fitiavana
Tsy mety maina fery ,fa mitriatra te hihavana
amin-java-tsy hisainana, naman'efa maty
Soa ihany fa mba nofy tsara ,fa tsy nofy ratsy

Ambiroa nifanena ,izay no hiheverako an'iny
Nifanontany sy nifanatsafa nampatsiahy ny fahiny

HARY MENJA
--------
Lien:
1024 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : HARY MENJA
Inséré par : kristoff
Date : 20/11/2007 04:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141