I Jehovah (Hatenaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Jehovah no tena tiako
Ka raha ny faniriako
Dia ho azy irery ihany
Ny fiainako eto an-tany

Ekeko aho fa nania
Dia naniasia
Niadaladala teny
Dia nirenireny

Nefa ilay ilay Raiko be fitia
Tsy namela ahy hikodia
Fa noraisiny ny tanako
Dia nekeko izy ho namako

Dia noraisiko ny teniny
Izay tsy misy afeniny
Dia henoiny aho raha miteny
Tsy miteny aho dia efa reny

Raha tomany aho dia safoiny
Raha mania aho dia antsoiny
Raha kivy aho dia fihininy
Raha milofika vimbininy

Omeny hoavy tsara aho tsy ho kivy
Eo anilako eo foana izy
Tena tia ahy izy ka tsy afenina
Ny faniriako rehetra ataony "Amena"
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana
922 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hatenaina
Nampiditra : Hatenaina
Daty : 08/01/2019 13:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098