Ny olom-banona (havotraniaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olom-banona.Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona nianatra,
zovy no tsy hianatra,
dia hoy aho hoe: Tsia.
Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona malaza,
niavaka ka fanta-daza,
dia hoy aho hoe: Tsia.
Ny olom-banona hoy ianao?
dia ny olona tafita,
niezaka ka nahavita,
dia hoy aho hoe: Tsia.
Ny olom-banona hoy ianao?
día tsy izany ihany,
fa ny olon'ny fitiavana,
andriam-pahendrena,
manana fo, sy saina, ary fanahy,
dia hoy aho hoe: Eny.
Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina.
--------
Lien:
Fans:
havotraniaina