Ampidiro aloha ny tenimiafina
ORA FARANY (havotraniaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORA FARANY.Fony ianao narary, teny amin'ny hopitaly,
Dia nisy tsiky, nomenao anay ry Neny,
Tsiky tena mamy , lavitra tomany,
Zary nankahery, ilay tsiky feno hery.
Iny tsikinao iny, tsiky manan-danja,
Tsiky feno fifaliana, toa lavim-pahoriana,
Tsiky manantena, ilay fiainam-pandresena,
Tsiky manome aina, ho an'ny manan'aina.
Nanakaiky ny fotoana,handao anay ianao ry Neny,
Nantsoinao ny ankohonanao, andao hifamela,
Nandindona ny alahelo, nigogogogo nitomany,
Fa ho avy ny fotoana, handaozanao ny tany.
Hatomotra ny ora, handao anay ianao ry Neny,
Eny, ny ainao teo am-bava, tsy nahasoka-bava,
Fa nisy teny mafonja, vitanao nanambara,
ANAO AHO JESOSY O! No teny tao am-bava.
Izay no tantara, tantaranao ry Neny,
Tsy adino ireo hafatra, napetrakao ry Neny.
--------
Lien:
Fans:
havotraniaina
