Fijeriko anao (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fijeriko anao lasan'olon'iny ...
Ny fo anatiko ao, vaky toa siny...
Anjara hoy ianao raha ny anareo...
Izaho nahare izany zary nitoreo...

"Eny" hoy ianao, raha namaly azy...
Lasany ianao, vady mariazy...
Teto aho no nihaiky sady tena nino,
Ny momba antsika rehetra kay moa fanadino...

Tsy hitanao akory ilay izaho nijoro teo...
Zary tena ory mandinika anareo...
Ilay tsikitsikinao, ilay fijerina taloha...
Ilay tsiro-molotrao lasany avokoa...

Fijeriko anao alohan'ny hialako...
Marary anatiko ao, saingy hozakaiko...
Mirarisoa anao fa efa am-pelatanany...
Mitso-drano anao, mahareta hatramin'ny farany...
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
27 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116