Androany (hjravs)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDROANY(Valin'ilay tononkalon'i RFE Andria "Anio")
Ny lasa sy ny hoavy
rehefa nifanaiky
dia indreny nifanantona,
nony nifanakaiky
dia indro fa nikatona
ho tontolonao ry androany,
koa ampirimo ny baraingo ary aza manontany,
hoe avy aiza ianao ka ho aiza
fa ny omaly efa nitaiza
ny ampitso ho sakaizany,
ka ianao no mahasahia
ho vavolombelona
fa tiany ny malalany
ary manjaria,
tsy ho mpanelingelina,
fa ho fitohizan-dalan'
Ny lasa sy ny hoavy!!!
Hj Ravs
--------
Lien:
Fans:
Arofanina
Commentaires
Arofanina
(
12/04/2015 08:22)
Misaotra ny @ setrin-tononkalo mitondra fanantenana e!