MOZIKA ANATY RA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOZIKA ANATY RA!
(noho ny faha-18 taonan'i Zo R.)

Izaho raha niandrandra
nibanjina ny lanitra
dia ny hitavandra
amin'Andriamanitra
mba harotsany amin'ialahy
ny zara-fitahiana
ry Zo Harinirina.

...Fa sodina ankiray
tena tsy hay tsy hay
hoe avy aiza izy izay,
toa tonga tsy nahy
tao an-tranontsika angaha...
fa nampangoritsina ahy,
raha nampanenoin'ialahy
tamin'ny hiran'i Dadah,
Izaho tsy nahavolana,
nandre 'lay "Faribolana"....
Niontana ny foko
fa tena ny an'i DadaKoto
'lay feon-tsodina nohenoiko.
Noho ny hafaliako
dia nifanambiako
fa raha toa ialahy ka hoe,
pezy* BEPC
dia hotambazako gitara....
Niezaka ialahy ka pezy soamantsara...
dia niarahana nahita
fa vao azo ilay Gilita,
dia io ialahy nandray,
tsy hitako hoe nianatra fa toa tonga dia nahay
ireo hira hatrami'izay.
Nipetaka ny "Sol", nanaraka ny "Dô",
dia injany fa niainga ny vazon-dr'i Lôlô:
ry "Lemizo", ry "Zimbo",
nandihy ny ratsan-tanana
nitendry 'lay "Fihavanana"
an'i Tarika mahaleo
nanaraka avy eo,
ny Eric Manana amin'ny "Voromby";
tena nakako fy
ny Ravaomarian'
Ingahibe Tselonina,
sy ny sisa tsy tononona,
tsy nisy naoty very, tsy nisy 'zay nivalana,
hatramin'ny gasigasin-dr'i "Sakelidalana"
Efa ao anaty Ra
mihitsy kosa angaha,
ny kanto arindran'ialahy...

Koa 'ndehana lehiroa,
aza atao kitoatoa:
Reveo manja ny Mozika,
dia asandrato ny hirantsika!!
Areheto ny fanilo
fa 'zay mety ho tsilo
hisakana an'ialahy, efa niandrandrako lanitra
ho esorin'Andriamanitra...
Nobitsihiko ihany koa
i Kristy Jesoa,
mba homba an'ialahy tokoa!!
Mahereza, leitsy, Zo a!

Hj Ravs (kanto Arindra tak. 41)
--------
Rohy:
1121 2
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 13/04/2015 04:13)
mahay nareo e!!! fa iza le Zo Hariniaina
hjravs ( 13/04/2015 04:30)
i Zo Harinirina?! Araka ny firariako dia ho isan'ireo mpitendry sy mpamorona hanandratra ny kanto Malagasy izy atsy ho atsy raha sitrapon'ilay Mpahary.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144