NOFIN'NY TSY AMPY SAKAFO (hjravs)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFIN'NY TSY AMPY SAKAFO

Raha Telo arivo ariary,
'zao ny "Euro" iray
2 kilao eo ny vary
mety ho azo amin'izay!

Fa nanonofy aho vao eo,
Dia 'zao no zavatra niseho:
"niketrika ny fanjakana
mba entina ampihenana
ny taham-pahantrana,
ka nametraka lalàna
- mba hitomboan'ny fahefa-mividy -
dia nofoanana ny "MID"*,
ka taha tsy miova no ampiharina
avy eo dia nampiakarina
ny sandan'ny Ariary
ka ny kilao iray (vidim-bary)
hosandaina Euro anankiroa.
...ilay telo arivo teo aloha,
ahazo vary be tokoa,
fa raha kajy tsotra no atao
valo kilao, be izao
ny lanjam-bary ho azonao,
izany hoe ny iray gony
mba hoatrinona r'itony?!
aleo handraisako solaitra..."

Teo, indrindra, aho no taitra,
Hay va re ka nofy ihany,
Tena noana aho izany...
Andeha hifoha mba hikaoka
'lay vary tapaka kapaoka
hatao sosoa fa tsisy laoka!


HJravs
(*MID: Marché Inter-bancaire de Devise)
--------
Rohy:
1518 5
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 29/05/2015 04:36)
tena tokony mba ho hitan'ireo mpitondra ireo mihintsy izao aingam-panahinareo izao fa azony réaliser na nie zao de mba mety aminy madinika e! ilaina mihintsy io MID io fa rehefa ampiharina io de na ny asa aza mety ho be dia be ho an'ny rehetra tsy manana asa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143