FARA-AINGA (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a, ity no fara-ranomainty azoko laniana
fa tsy mety intsony angamba ny hikambanantsika,
leo ny manazava ka aleoko indray mangina e,
ataoko fiononana ny zavatra' efavita.

'ty ranomainty ity tsy ranomainty tsotra
fa miharo ranomaso nitsororik' eo an-tavako.
Injany misy ainga mba re mipololotra
fa maty teto anio 'lay afon' ny fitiavako.

Aza ianao mamangy na mitsapa alahelo
fa mainka 'zany indrindra no hanasarotr' ito ady.
Ataovy ampy anao ilay tsiambarambarantelo
hoe anao ny fara-fo nahasambatra azy.

Mantsy maro be ireo ainga nisavoana
voatolotro ho anao tsy ary ho voatanisa,
ny 'tiako ianao', 'mifona', 'babo' sy 'nahoana?'...
ireny rehetra ireny sy ny sisa sy ny sisa.

Fa 'zay akia malala a, ity aingako eto ity
no sisa fara-ainga mahakasika anao...
ny manarak' eo fantaro raha miresaka fitia
dia tsy ianao intsony f' efa olom-baovao.

15 novambra 2015, 03:19
--------
Lien:
166 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : iarantsoamahefa
Date : 20/09/2023 09:10
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141