MISARAKA (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny matoky aloha tsy misy
fa amboarina ny saina.
Aleo tokoa mitsitsy
ny fitiavana zaraina.

Ny omaly efa vita...
na tiana na tsy tiana
hiarahana mahita
vokany any aoriana.

Ny ampitso no hitsara,
ka tsy asiana harakaraka
fa rehefa hoe tsy anjara
manaiky ny hisaraka.


2017
--------
Lien:
264 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : iarantsoamahefa
Date : 14/09/2023 10:24
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156