mpanoratra (NY FANAMBY Nomenjanahary)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mpanoratra aho fahiny
Fa iny lalana iny,
No nampikalo sy nampivetso
Nandraketako an-tsoratra ireo sento

Tsy mba tato an-saiko zany hanoratra zany
Fa ny lalana nodiaviko no niaviako any
Raha ny tiako dia,ny mamaky ary makatelina
Nefa tsy navelan'ny fiainana tsy handray penina
Ary tsy mba nasiako fiheverana
Ny ahy eritreritra sendra mba niserana.

(Ilay FANAMBY,Mpanoratra,oct 2023)

Tsy mba talentako zany manoratra izany
Fa vokatry ny fihetseham-poko angamba rehefa faly
--------
Lien:
168 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014