Ianao… (ILIMIM JIVISDI)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay fanafody manafaka ny feryIanao ilay hafaliako, ianao samirery
Ianao ilay dalià mibaliaka vao maraina
Ianao ilay raozy fotsy mampierika ny saina
Ianao ilay hirahira ventesiko mazàna
Ianao ilay tositosy mitondra hafanàna
Ianao ilay kolokolo fangadiko mangiana
Mikalo diavolana halohan’ny hatoriana
Ianao ilay diamondra karazam-bokovoko
Sombim-bolamena manakona ny foko
Ianao ilay tsy ferana doroana fa tsy may
Ianao ilay olon-tiako, sakaizako hatrizay
IlimimJivisdi
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana