VETSOM-P♥ HO ANAO (ILIMIM JIVISDI)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSOM-P♥ HO ANAOIty ventsom-poko ity
Dia afoiko omena anao,
Ataonao fahatsiarovana,
Raha sendra ianao torovana
Bitsiky ny foko
Mangiana samirery
Afoiko tsotr’izao
Raha toa ka sitrakao
Tononkalo iray
Ataovy sovenira
Raiso ankafaliana
Ka vakio am-pitsikiana
Vokatry ny saiko
Sy kalon’ny fanahiko
Afoiko dieny izao,
Ho ventsom-p♥ ho anao
♠l♠M♠M J♠V♠SD♠
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana