Aza anontaniana izay anton'izao (Jean-Joseph Rabearivelo)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza anontaniana izay anton'izao
Fahanginako lalina ary feno tomany!
Aza anontaniana satria fantatrao
Fa fahatsiarovana no anton'izany.

Tsaroako ny tsikin'ny androko omaly,
Izay manjary aloka foana indrisy!
Tsaroako!...Antsoiko fa tsy mba mamaly,
Ary toa manadino,ary toa tsy mba nisy.

Ô! inona indrindra no karazan-tany
Nitsangananao re,ry androko lasa,
Ry androko lasa miampita any ho any,
Nitondra any ho any zava-boakasa.

Fasika amoron'ny rano malaky,
Mikoa amin'ny onja sy alona ve?
Sa vato malemy sy mora vinakin'
Ny eri-mifafy mangina tsy re?

Ny vovoka sisa tavela aminao,
Vovoka mandry na vovoka miely,
Vovo-manerana ity fiainako vao,
Vovoka ingain'ny rivotra kely.

Hifafy,handemy ny hery rehetra,
Hatramin'ny hery izay sahy dia sahy.
Ô! vovo-masiaka sy mahery setra,
Manditsoka hatrany amin'ny ati-fanahy

J.J.Rabearivelo
--------
Lien:
Catégorie : Tolona - Alahelo - Aingam-panahy
23760 15
Commentaires
johnsonrakotoniaina32 ( 12/09/2014 18:36)
tena mahagaga ny fahaizan'ny mpanakanto ...
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0469