Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny rarin'ny matanjaka (Jean NARIVONY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Zao no teniko, rankizy, hoy ty reny tamin-jananyAoka samy ho afa-pon’ny anjara izay ananany
Tsy nasiako fiangarana ny mofo nozinarako
Samy manana daholo ka izany no anafarako.
Sao ianareo vaventy mampahory ny madinika
Saingy mahatahotra azy ka hanery tsy handinika
Fa hitaky ny anjarany amim-peo manerongerona ;
Na andrao ny kely kosa no hampiasa bodongerona.
Mifanaraka no tiako, ka tsy hisy hiolonolona ;
Nefa kosa andrarako ny manombina ny an’olona »
Kanjo nony kelikely, indro ny tsy fankatoavana,
Misy moa te hanan-drery ka tsy hanana ny havana
Indro Lita naka an-kery ny an’ny Fara teny an-tanany ;
Izy no te hanan-droa ka ny an’ny hafa no nofoanany.
Lasa i Fara nitomany, nitaraina tamin-dreniny
Dia nampanalaina i Lita ka izao no valin-teniny :
-"Fara anie ka mbola kely ka tsy tokony hampitanina
Mofo ngeza sy mahery ary tena ventin-kanina.
Ny ronono no sakafo mety zakan’ny vavoniny ;
Fa ny mofo mafy loatra ka tsy tsara holevoniny. »
-« Misy marina ny anao, nefa kosa tsy afeniko
Fa ny mahasosostra ahy dia ianao nanda ny teniko »
Tsy hanaiky fandraràna ka tsy nankato ny didiko
-« Tsia ry neny , fa izao ny fara teninao tadidiko ;
Ny manombina andrarako, izany hoe ny maka silany
Manontolo kosa anefa no nalaiko fa tsy ilany »
Dia nihodina izy manko, ary tazana nitolona
Sady dia nandrebodreboka ny anjara mofon’olona !
--------
Lien:
Fans:
TononkaloNM
