Takariva (Jean NARIVONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazanina iry vodilanitra mavo,
Zay hany tratry ny masovoafetra,
Jerena Lavitra manjavozavo,
Ka ory ny saina, ny vava mitsetra.

Manidina irony tsiriry mihoatra,
Mamela veloma ombieny ombieny:
Ny tany hodiany tsy fantatra loatra,
Kanefa ny saiko dia Lasan'ireny !

Ny raho-madinika miara-misosa
Finaoky ny rivotra mamelovelo,
Manaitra ny fo ao anatiko kosa
Hamoaka ny sento fambara alahelo.

Ireo voronkely mamonjy fodiana
Dia samy mikalo ny hirany mamy:
Izahoko irery no be fahoriana,
Toa fendrofendroin'ity alina tamy.

Ny masoko revo mitazana ihany
Manitsy ilay toerana mbola hodiako,
Iarivo malala tsy roa aman-tany,
'Lay tany fonenan'ny olona tiako !

Tandrifin' ireo foto-kazo maniry,
Ambanin'ilay raho-mena miloko,
Ankoatr' iry dongona iray makadiry
No misy ilay Jerosaleman'ny foko !

larivo nilaozana nefa tsaroana
Ka dia mampanembona aty andakira,
No dia mampiloatra ny sentoko foana,
Dia sento mitambatra ho tonon-kira !
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo
1336 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean NARIVONY
Nampiditra : hery
Daty : 02/05/2022 20:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106