Masina ny firenena (Karako)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay nanongam-panjakana
Sy tsy miraharaha lalàna
No injao aindraindra
Sy toa masina indrindra !

Hadino ve ny fanimbana ?
Hadino ny fanazimbana ?
Tia manao loham-boto
Sy mampihinana maloto...

Ilay tokony ho any am-ponja
No injao fa hoe hitondra..
Mitrosona ny firenena
Mbola ho tohizana hosena ?

Tsy nisy akory zava-bita
Saribakolin’ny any ampita ;
Mpitsetsitra ny firenena
Akama ihany no mi-hena.

Nikevoka ny mba hanao
Izay vita teo aloha ravao.
Dia hatao manara-penitra :
Lavenona natao simenitra...

Io anie mahay miala
Miafina tsy tratram-bala ;
Vao manomboka mafana
Avelany eo ianao ry nama !

Ilehio anie fatsora
Ka hainy ny miala mora :
Handositra an’i Gasikara ?
Dia any am-bodin’ny fiara…

Very ny zanaka amam-para
Raha ilehio no lazaina “tsara”.
Izy tsy ampy fahendrena :
Mpivarotra ny firenena.

Aza sodoky ny hatanorana
Sao raiketa no hifafana...
Aza jamben’izato bika
Fa ny salakany firinga...

Ry tanora ô, mifohaza,
Tanora anie ianao tsy zaza !
Miandry anao ny firenena,
An-tananao ny fandresena !

Masina ny tanindrazana
K’aza mety ho tambazana.
Maty hasina ilay Samboady
Aza averina aminy azafady !

Karako
2018-10-15
--------
Lien:
3250 0
Commentaires
karako ( 20/12/2023 20:07)
Misaotra betsaka niantsa Ikalamako a! 🙏
ikalamako ( 20/12/2023 21:23)
am-pitiavana foana r'ise a.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Karako
Inséré par : karako
Date : 15/10/2018 22:45
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145