FO TOMANY (Laingo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nantenaiko mba ianao no ho mpanjakan’ny fitiavako
Nantenaiko hoe ianao no hampitsiky ny maranaiko
Nanantena aho niandrandra, niandrandra ny ho tiana
Miandry anao hatramin’izao tao anaty fo mangina

Nantenaiko fa ianao no hitantana ny tanako
Hanafoana ny alahelo izay manaloka ny tavako
Nefa ahy ianao manan-tompo, zay tsy azonao sarahana
Eny fa na dia ianao aza, toa tsy azoko iarahana

Tsy ho kivy aho fa hitraka satria tena tiako ianao
Mbola miandry manantena raha ny foko hatramin’izao
Tsy voaborako aminao izany fitiavako izany
Fa raha toa ka tsapanao dia iantrao ity fo tomany
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
2649 0
Commentaires
Rapha ( 16/10/2009 06:06)
tsara fa tohizo. maniry hifanerasera aminao aho. niandrifara@yahoo.fr. 0331274919.0340150519.0202230501
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167