IRAY IHANY NO FIDIO (Laingo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovolahy va ianao? Aza diso fihetraketraka
Fa na tsara ianao na ratsy aoka ianao ahay mipetraka
Fa tsy ataonao kilalao ireo zavavy marobe
Ka iarahanao daholo n any kely na lehibe

Tovovavy kosa ianao? Aza tia mampirafy
Satria hita miharihary fa izany no tena ratsy
Na tsy menatr’olona aza matahora Ilay Tsitoha
Fa mijangajanga ianao raha mitia olon-droa

Koa iray ihany no fidio dia ilay iray mandrakizay
Ary mba ho iray hatrany fa tsy ampiana hafa indray
Dia ilay iray izay nofinidy mba haharitra ho doria
Ka ny fonao sy ny fony,ho zary fo mifangia

Laingo
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1146 2
Fans: bulou - Zozoro
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144