MBOLA HISY (Laingo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola hivadika ho maraina zany ali-maizim-pito
Raha mbola misy fitenenana fa ny anio tsy ho ampitso
Raha mbola hisy masoandro hanome hafanana
Dia mbola hisy koa ftiavana anjakan’ny fahazavana

Raha mbola misy fifaliana aorian’ny tomany
Raha mbola misy tsikitsiky azo asetry an’izany
Raha mbola misy kintan-kely hipoitra eny an-danitra eny
Dia mbola hisy fiononana ho an’ity foko manirery
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1019 2
Fans: Zozoro - oracle
Commentaires
hasinina ( 12/05/2009 12:56)
Tsara fa tohizo. Mety hahaliana ano ity rohy ity: http://sandratra.populus.org/
dia tongava any raha afaka
llaingoo ( 12/05/2009 13:16)
Miarahaba an'i Hasinina. Mankasitraka nitsidika ny asa soratro sy nanome ny rohy. Satriko hanatrika ny antsa tononkalon'ny faribolana Sandratra saingy noho ny asa izay miandry ahy dia tsy afaka hanatrika an'io aho.Na izany aza, dia misaotra amin'ny fankaherezana.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141