MAMELA AHY (lain's rakoto)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamindra fo amiko
Fa tsy nety ny nataoko
Avelao ny fahotako
Fa tsy mendrika akory aho
Tsy mendrika ny ho zanakao
Tsy tokony hanonona
ny anaranao
Mbola osa aho anefa
Tsy mbola afaka milefa
Tsy afaka manefa izay nataonay
Osa sy malemy
Mora lavo sy trotraka
Mianjera lava mora potraka
Mamela ahy ianao ry tompo
Tsy mba mendrika ny hanompo
Ity izaho mora revo
Anaty fotaka mandrevo
Mamindra fo amiko
Fa manepotra ity taniko
--------
Lien:
Catégorie :
Vavaka