Tojo Fitia! (Lova)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoana tsy nampoizina, toy ny andro mahazatra
Habakaba-dohataona, tsisy oram-batravatra.
Reradreraky ny adidy, sy ny asa valalanina
Te hanala hamohamo, te-hipetraka milamina.
Toa kisendrasendra ihany, tsikitsiky miramirana
Dongalahy moa ny tena ka facebook no nidirana.

Teo indrindra no niserana, toa irak’Andriamanitra
Olona mpifankalala, tafaresaka tsy nahy.
Nilazako tsy ankitandrina fa fitiavana maharitra
No tsiriritiko aok’izany, sy andrasako mba hoahy.
Manana namana aho hoy izy, aoka kely ianao haharitra
Fa hiresahako izy, ka aoka ianao tsy hanahy.

Nanamafy ary ilay olona fa tsy hanenina aho
Raha toa mifankahita, ka hifampitompy maso.
Izaho moa nazoto, ka nanasa tsy ankisala
Sao izy ilay nandrasako, ka liana aho te hahalala.
Raikitra ary ny fotoana ka ny asabotsy ihany
No iandrasako ny marina sy ny hoaviko eto antany.

Tamin'io maraina io, efa tsy andriko sahady
Nidobodoboka ny foko, manantena sy miady.
Tiako hifanena mafy ilay tia sy ilay manina
Ka ny maraina manontolo no tsy nahantelin-kanina.
Fenofeno, manantena nefa feno fanahiana
Ho diso ve ilay anjara, sa ho tojo ny olontiana ?

Vao nahita anao ny masoko, niontana iray ny foko
Nisy zavatra naningotra, tselatr’afo indray mipika.
Toa tsapako sahady fa hisava ny toloko
Fitiavana indray nitsimoka, tena mila hampihiaka.
Ny resaka nifanaovana, sy ny lalana nodiavina
Nampitambatra antsika, tena anjara tsy azo lavina.

Mason’andron’io ihany, tsapako aho fa babonao
Azoko antoka f’ianao ilay nandrasako hatrizay.
Ka ny foko manontolo no natolotro ho anao.
Ny fitiavako rehetra, ho anao mandrakizay…


Lova ( 02 février 2012 )
--------
Lien:
1395 2
Fans: Richieux - orabory
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Lova
Inséré par : Richieux
Date : 28/01/2013 15:02
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158