IZY (MADAÏES(danny))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahy milaza ve ianao fa izaho tsy mba tia?
Raha izay nataoko izay ,dia tena sahindry.
Tsy izaho no namadika ,fa diso jery ianao,
fa fitia tsy tody volana ny ahy sy ny anao.

Nitia anao ny foko nitia anao ny saiko,
Naniry tsara indrindra,ho anao ry aiko,
Tsipazo indray ny saina 'reo androntsika lasa,
Onena mahonena fa foana ireo kinasa.

Roa taona nitolomana,taonan'ny fitia,
Mba nisy mamy kely ,fa tsy ratsy sanatria,
Nilaza zavatra aho nilaza taminao,
Hoe:tena latsa-paka ,tsy mba kilalao

Tany no nodiavina,tany no iainana,
Mazava ny amin'iny de ota no nivaingana,

Tsy misy iray tanteraka tsy misy iray mba marina
Nilaza anefa aho kinanjo de nivarina
Noporofoiko teo fa ianao no tena tiko
Nilaza am-pahibe-maso fa ianao no nofidiko

Nanomban'ezaka aho ,diso fiantefàna
Lay tsora-po nomeko,valiny nialana
Nanosi-po ianao,hoe "tiavo ihany izy"
Nanosi-po niteny hoe izaho efa kivy.

Nakomboko ny vavako,nisento ny fanahiko,
hoe diso fiantefana ny vavy izay narahiko.
Tsy kivy anefa aho ,nandinin-tena koa
Safidy ny fitia dia tia izay aloha.

Misy tohiny
Madaîes 200.706
--------
Rohy:
2459 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MADAÏES(danny)
Nampiditra : vitsika
Daty : 12/05/2006 06:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143