tenin-drazako (manantena)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry teny mamiko Ry fiteny malagasy
Ahy ianao, tsy mba nindramiko
Ka ampiasaiko an-taratasy
Ianao no nanomboako nibada
Sy nianarako niteny
Nanononako an'I dada
Sy nanononako an'I neny
Avy taminao koa
No nahafahako namboraka
Ilay fitia tao am-po
Na am-bava na an-tsoratra
Ireny rehetra ireny
Taminao avokoa
Satria ianao ilay fiteny
Tena kanto sady soa
Tiako ianao ka tsy atakaloko
Ry teny tiako sy andrianiko
Ka ho asandratro ambony
Ilay tenin-drazako tsy foiny
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - Kolontsaina
Commentaires
Zozoro
(
17/01/2009 09:10)
Raha toa ka manadino anao aho ry tenin-drazako, dia aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko.
benasy
(
19/01/2009 09:33)
Misaotra Tompoko, Tsy ny teny ihany, fa indrindra ny soratra..!Satria
"Lolo sy nagidina, ka samy manidina!
Angidina sy lolo ka samihafa volo!"
Mankasitraka indrindra!!
"Lolo sy nagidina, ka samy manidina!
Angidina sy lolo ka samihafa volo!"
Mankasitraka indrindra!!