FANIRIANA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faniriako ny hiaraka aminao ry Tompo tia
Hamakivaky ny lalan-tsarotra voasoritra etÿ
Ka na aiza no aleha , Ianao hitantana ny dia
Tsy hanan-tahotra aho satria miaraka aminao Kristy

Hiaraka Aminao aho na sarotra ny làlana hombana
Na misedra ady mafy sy mandalo fitsapana
Tsy ho kivy sanatria ,na hitanondrika ny loha
Fa raha miaraka Aminao dia mionona ny fo

Ny ho eo anilanao hatrany no mamiko izao
Tano aho ry Tompo mba tsy hisaraka Aminao
Aoreno ny finoako mba tsy hivily sy hania
Ka hitoetra ho mahatoky Anao Ray be fitia

Hiaraka aminao aho fa ny làlanao no tiako
Na mideza loatra aza re ,efa izay no nofidiako
Hiara-miaina isika izay no hataoko tarigetra
Hanolo-tena aho ho Anao ka aina no fetra

Hajanirina Mahavaly (14/08/2021 )
--------
Rohy:
532 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 16/11/2021 06:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136