MIANTSO ANAO NY TOMPO (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry sakaiza tsara , miantso anao ny Tompo
Hanolotra ny tenanao mba ho mpanompo
Malalaka ny saha izay tsy mbola voasa
Miandry anao hamafy sy hanomboka ny asa

Miantso anao ny Tompo mba hamafy voa tsara
Ho amin'izao tontolo izao hitory Filazantsara
Mitsangàna,mandehana f'aza be fangatak'andro
Dieny mbola maraina ka sao hidify ny masoandro

Aza lavina ny antsony fa mivonòna ny handeha
Hizara vaovao mahafaly ho an'ireo mbola tsy nandre
Meteza ianao ho iraka solon'i Kristy
Hanambara ny asany sy vavolombelony etÿ

Miorena amin'ny antson'ny Tompo dieny mbola azo hatao
Sao diso aoriana loatra ka hanenina ianao
Fotoana mety izao ho amin'ny fanoloran-tena
An-tsitrapo anefa fa tsy sanatria an-katerena

Hajanirina Mahavaly ( 04/07/2021)
--------
Rohy:
645 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 16/11/2021 06:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157