MIFONA (Hajanirina Mahavaly)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô! inty ny zanakao
Mifona re, mivalo mitalaho
Izaho ilay zanakao nania
Mba raiso re ry be fitia

Be ny fahotana sy adalana vitako
Hibebaka aho fa ampy izay ny ditrako
Ny andro iainako sisa rehetra
Hanompoako Anao tsy misy fetra

Anio aho manolo-tena ho anao
Vonona hiasa ho fanirakirakao
Ny herinao ry Tompo no atafio ahy
Handehanako tsy misy ahiahy

Hajanirina Mahavaly (12/04/25)
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
365 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117